Matio 17:10 - Baiboly Katolika Dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: «Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanontany Azy ny mpianany hoe: Nahoana ary no ilazan’ny mpanoradalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia? DIEM PROTESTANTA Dia nanontany an’i Jesoa izy telo lahy nanao hoe: –Nahoana àry no lazain’ny mpahay lalàna fa tsy maintsy ho avy i Elià, alohan’ny hahatongavan’ny Mesia? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanontany an’i Jesoa izy telo lahy nanao hoe: –Nahoana àry no lazain’ny mpahay lalàna fa tsy maintsy ho avy i Elià, alohan’ny hahatongavan’ny Mesia? Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan’ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha? Malagasy Bible Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha? La Bible en Malgache Ary nanontany Azy ny mpianany hoe: Nahoana ary no ilazan’ny mpanoradalàna* fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia? |
Ary hoy ireo: «Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.»
Ary namaly Izy ka nanao hoe: «Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia, ka hanavao ny zavatra rehetra.
Dia hoy i Jesoa hoe: «Tsy maintsy ho avy aloha i Elia sy hanavao ny zavatra rehetra; fa ahoana kosa no nanoratana ny amin’ny Zanak’olona fa tokony hijaly mafy Izy sy hotevatevaina izaitsizy?
Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: «Iza àry? I Elia va ianao?» Fa hoy izy: «Tsy izy aho.» «Ilay Mpaminany va ianao?» Fa hoy ny navaliny: «Tsia.»
Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe: «Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany?»