Matio 15:6 - Baiboly Katolika dia afaka tsy hanaja ny rainy na ny reniny akory izy, koa nofoananareo ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofinareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. DIEM PROTESTANTA dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an’ny rainy na ny reniny intsony.» Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an’ny rainy na ny reniny intsony.» Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. Malagasy Bible Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. La Bible en Malgache Koa dia foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. |
Ahoana no ahalazanareo hoe Hendry izahay, ary mby ato aminay ny lalàn’i Iaveh? Indro fa ny fandaharan-dainga nataon’ny mpampiana-dalàna mahatonga izany ho lainga!
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy hilaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa natolotro an’Andriamanitra ny tokony ho nentiko manampy anao,
ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.»
Koa mandrava ny Lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria! fa mainka mampiorina ny Lalàna isika.
Raha misy mpino manan-kavana mpitondratena, dia aoka izy no hamelona azy, mba tsy hahavaky tratra ny Eglizy, sy hahazoany mamelona izay tena mpitondratena.
fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza.