«Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovantsofin-drazana? fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina.»
Matio 15:3 - Baiboly Katolika Ary hoy ny navaliny azy: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofin-drazanareo? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Izy namaly azy ireo hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? DIEM PROTESTANTA Dia novalian’i Jesoa hoe: –Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra mba hifikiranareo amin’ny fomba amam-panaonareo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’i Jesoa hoe: –Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra mba hifikiranareo amin’ny fomba amam-panaonareo? Baiboly Protestanta Malagasy Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? Malagasy Bible Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? La Bible en Malgache Ary Izy namaly azy ireo hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? |
«Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovantsofin-drazana? fa tsy mba manasa tanana izy raha hihinan-kanina.»
Fa hoy Andriamanitra: Manajà ny rainao aman-dreninao; ary koa Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty.
ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.»
sady toa misy fahendrena no fijery azy, raha araka izato fombam-panompoana noforoniny, sy izato fanetrena amam-panivàna ny tena asehony, kanjo tsy misy na inona na inona akory, fa fampanaranana ny nofo foana no tadiavina aminy.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
sy tsy hihaino izay anganongano foanan’ny Jody, na ny didin’ny olona mihataka amin’ny fahamarinana.