Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»
Matio 15:10 - Baiboly Katolika Ary rehefa nasainy nanatona Azy ny vahoaka, dia hoy Izy taminy: «Henoy, ary fantaro: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa ka fantaro: DIEM PROTESTANTA Dia nantsoin’i Jesoa hankeo aminy kosa ny vahoaka sady nilazany hoe: –Mihainoa ka mahafantara: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nantsoin’i Jesoa hankeo aminy kosa ny vahoaka sady nilazany hoe: –Mihainoa ka mahafantara: Baiboly Protestanta Malagasy Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara: Malagasy Bible Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara: La Bible en Malgache Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka niteny taminy hoe: Mihainoa ka fantaro: |
Fa hoy kosa i Mikea: «Tsy niteny tamin’ny alalako i Iaveh matoa tafaverina soa aman-tsara ianao.» Sady nampiany hoe: «Samia mihaino izany ianareo vahoaka rehetra.»
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Ary hoy izy: «Mandrenesa ianareo, fa aza mahafantatra; aoka hahita ianareo, fa tsy hahazo an-tsaina.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona; fa izay aloaky ny vava, izany no mahaloto ny olona.»
Rehefa hitanareo voatsangana amin’ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain’i Daniela mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky),
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
Koa hatramin’ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay; ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy ianareo,
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.