Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy.
Matio 14:2 - Baiboly Katolika ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «I Joany Batista izay; efa nitsangana avy any amin’ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka hoy izy tamin’ny mpanompony: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanaovany izao asa lehibe izao. DIEM PROTESTANTA ary hoy izy tamin’ny mpanompony: –I Jôhany Mpanao batisa izay: efa maty izy no velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary hoy izy tamin’ny mpanompony: –I Jôhany Mpanao batisa izay: efa maty izy no velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga. Baiboly Protestanta Malagasy ka hoy izy tamin’ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin’ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany. Malagasy Bible ka hoy izy tamin'ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin'ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany. La Bible en Malgache ka hoy izy tamin’ny mpanompony: I Jaona Mpanao batisa efa nitsangana tamin’ny maty izany, koa izay no ananany hery hanaovany izao asa lehibe izao. |
Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy.
Ary hoy ireo: «Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.»
Ary tamin’izany andro izany, dia niseho i Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda mpanjaka, fa efa nihamalaza ny Anarany. Ary hoy ny sasany: «I Joany Batista nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy»;
Ary namaly Azy ireo, nanao hoe: «I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.»
Ary i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra,