tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.
Matio 13:6 - Baiboly Katolika kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa rehefa niposaka ny masoandro dia nalazo izy ireny, ary satria tsy nanam-paka tsara izy dia maty. DIEM PROTESTANTA saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon’ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina, satria tsy namaka lalina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon’ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina, satria tsy namaka lalina. Baiboly Protestanta Malagasy Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. Malagasy Bible Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. La Bible en Malgache Fa rehefa niposaka ny masoandro dia nalazo izy ireny, ary satria tsy nanam-paka tsara izy dia maty. |
tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady nanify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;
fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian’ny hainandro izy no tsy latsaka lalina ka maina.
Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy.
sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo,
raha tahiny ianareo maharitra sy miorina mafy amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely, izay efa renareo sy notorina taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.
ka hamàka tsara sy hiorina ao aminy, ary hohamafisin’ny finoana sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa.