Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
Matio 13:16 - Baiboly Katolika Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Sambatra kosa ny masonareo satria mahita ary ny sofinareo satria mandre. DIEM PROTESTANTA Fa sambatra kosa ianareo, mana-maso mahita ary manan-tsofina mandre. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa sambatra kosa ianareo, mana-maso mahita ary manan-tsofina mandre. Baiboly Protestanta Malagasy Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre. Malagasy Bible Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre. La Bible en Malgache Sambatra kosa ny masonareo satria mahita ary ny sofinareo satria mandre. |
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra.
Fa hoy i Jesoa taminy: «Nino ianao, ry Tomà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino.»
mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.
Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.