Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Matio 13:10 - Baiboly Katolika Ary nanatona ny mpianany ka nilaza taminy hoe: «Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanatona Azy ny mpianany dia nanontany hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’izy ireo? DIEM PROTESTANTA Ary nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao taminy hoe: –Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’ny vahoaka? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao taminy hoe: –Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’ny vahoaka? Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? Malagasy Bible Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? La Bible en Malgache Ary nanatona Azy ny mpianany dia nanontany hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao amin’izy ireo? |
Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy. Hoy Izy hoe: «Indro nivoaka hamafy ny mpamafy;
Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.