Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 12:23 - Baiboly Katolika

Gaga avokoa ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: «Moa tsy ity va no Zanak’i Davida?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Moa Ity va ilay Zanak’i Davida?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Talanjona ny vahoaka rehetra sady vaky vava hoe: –Tsy ity ve ny Zanak’i Davida?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Talanjona ny vahoaka rehetra sady vaky vava hoe: –Tsy ity ve ny Zanak’i Davida?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’i Davida?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: Moa Ity va ilay Zanak’i Davida?

Jereo ny toko



Matio 12:23
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: «Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalin’ny demony mafy loatra ny zanakovavy»;


ary ny vahoaka izay nialoha sy izay nanaraka Azy, samy niantso nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida. Hisaorana anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Hôzàna any amin’ny avo indrindra.»


Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany,


Ary nony niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy, sady niantso mafy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo aminay.»


Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: «Tsy mbola nisy toy izany tamin’i Israely.»


«Andeha ianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy?»