Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy, mba ho olona filàna ady amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho. Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy, nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!»
Matio 10:34 - Baiboly Katolika Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho; tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana etỳ ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra. DIEM PROTESTANTA –Aza heverinareo fa tonga eto an-tany Aho hampihavana; tsy tonga hampihavana Aho, fa hampiady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Aza heverinareo fa tonga eto an-tany Aho hampihavana; tsy tonga hampihavana Aho, fa hampiady. Baiboly Protestanta Malagasy Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra. Malagasy Bible Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra. La Bible en Malgache Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana etỳ ambonin’ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa sabatra. |
Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy, mba ho olona filàna ady amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho. Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy, nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!»
Ny Jody izay tsy nino anefa, dia nitarika sy nanome fo ny Jentily hanohitra ny rahalahy.
Dia nisara-tsaina ny olona rehetra tao an-tanàna, ny sasany nomba ny Jody, ny sasany nomba ny Apôstôly;
Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka, ary ilay nitaingina azy dia navela hanesotra ny fihavanana amin’ny tany, mba hifamonoan’ny olona, ka nomena sabatra lehibe izy.
Ary hany nokendreny tamin’izany dia fampianarana ny taranak’i Israely sy hampahaizany hiady, dia ho an’izay tsy mbola nahalala izany taloha ahay.