Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà ka nalevina teo akaikin’ny razany, tao an-tanànan’i Davida. Ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Matio 1:8 - Baiboly Katolika i Asà niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata niteraka an’i Jôrama; i Jôrama niteraka an’i Oziasa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Asafa dia niteraka an’i Josafata; i Josafata dia niteraka an’i Jorama; i Jorama dia niteraka an’i Ozia; DIEM PROTESTANTA I Asà, ray niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata, ray niteraka an’i Jôrama; i Jôrama, ray niteraka an’i Ozià. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Asà, ray niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata, ray niteraka an’i Jôrama; i Jôrama, ray niteraka an’i Ozià. Baiboly Protestanta Malagasy ary Asa niteraka an’i Josafata; ary Josafata niteraka an’i Jorama; ary Jorama niteraka an’i Ozia; Malagasy Bible ary Asa niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia; La Bible en Malgache i Asafa dia niteraka an’i Josafata; i Josafata dia niteraka an’i Jorama; i Jorama dia niteraka an’i Ozia; |
Dia nody mandry any amin’ny razany i Asà ka nalevina teo akaikin’ny razany, tao an-tanànan’i Davida. Ary i Jôsafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Ka i Azariasa izay 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà ka natsangany ho mpanjaka handimby an’i Amasiasa rainy.
Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folon’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely tao Samaria i Jôrama zanak’i Akaba, ary roa ambin’ny folo taona no nanjakany.
Tamin’ny taona fahadimin’ny nanjakan’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, raha mbola mpanjakan’i Jodà i Jôsafata, no vao nanjakan’i Jôrama zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.
Nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida, ary i Jôrama zanany no nanjaka nandimby azy.
i Salômôna niteraka an’i Rôbôama; i Rôbôama niteraka an’i Abiasa; i Abiasa niteraka an’i Asà;
i Oziasa niteraka an’i Joatama; i Joatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;