Izany no aoka ho tamby avy amin’i Israely ho an’ireo fahavaloko, sy ho an’ireo miteny ratsy mamely ahy.
Marka 9:39 - Baiboly Katolika Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy eo no eo. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa taminy: –Aza raràna; fa tsy misy olona hanao asa mahagaga amin’ny anarako, ka hahateny ratsy Ahy eo no ho eo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa taminy: –Aza raràna; fa tsy misy olona hanao asa mahagaga amin’ny anarako, ka hahateny ratsy Ahy eo no ho eo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. Malagasy Bible Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. La Bible en Malgache Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy eo no eo. |
Izany no aoka ho tamby avy amin’i Israely ho an’ireo fahavaloko, sy ho an’ireo miteny ratsy mamely ahy.
Fa hoy i Jesoa: «Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Koa mampahafantatra anareo aho, fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka hanao hoe: «Anatema i Jesoa» ary tsy misy afa-milaza hoe: «I Jesoa no Tompo,» raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Nefa mampaninona moa izany e? Rehefa i Kristy no torina, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza.