Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 8:4 - Baiboly Katolika

Dia hoy ny mpianany namaly Azy: «Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atỳ an’efitra?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namaly Azy ny mpianatra hoe: Aiza no hahazoana mofo hahavoky ireto olona ireto atỳ an-tany efitra atỳ?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ny navalin’ny mpianatra Azy: –Aiza no hahitana mofo hahavoky an’ireo olona ireo atỳ an-taniefitra atỳ.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ny navalin’ny mpianatra Azy: –Aiza no hahitana mofo hahavoky an’ireo olona ireo atỳ an-taniefitra atỳ.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namaly Azy ny mpianatra hoe: Aiza no hahazoana mofo hahavoky ireto olona ireto atỳ an-tany efitra atỳ?

Jereo ny toko



Marka 8:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa namaly an’ity olon’Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan’ny mpanjaka tamin’ny tanany, ka nanao hoe: «Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin’ny lanitra aza i Iaveh?» Dia hoy i Elisea: «Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao.»


Fa hoy ny mpianany taminy: «Aiza no hahazahoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atỳ an’efitra?»


fa tsy azony an-tsaina ity fahagagana tamin’ny mofo teo noho ny hadonton’ny fony.


ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.»


Ary Izy nanontany azy hoe: «Manana mofo firy hianareo?» «Fito» hoy izy ireo.