Fa hoy ny navalin’i Satana an’i Iaveh: «Hoditra fefin’ny hoditra! Izay ananan’ny olona dia atolony ho fefin’ny ainy avokoa.
Marka 8:36 - Baiboly Katolika Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa inona moa no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy kanefa very ny ainy? DIEM PROTESTANTA Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Baiboly Protestanta Malagasy Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? Malagasy Bible Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? La Bible en Malgache Fa inona moa no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy kanefa very ny ainy? |
Fa hoy ny navalin’i Satana an’i Iaveh: «Hoditra fefin’ny hoditra! Izay ananan’ny olona dia atolony ho fefin’ny ainy avokoa.
«Mety hanasoa an’Andriamanitra va ny olombelona? Manasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
Aza matahotra àry, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.
Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’i Iavehn’ny tafika?
Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy.
Ary inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy?
Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany.