Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Marka 8:24 - Baiboly Katolika Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: «Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin’ny hazo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanokatra ny masony ilay jamba ka niteny hoe: Hitako ny olona, nefa tahaka ny hazo mandehandeha no fijeriko azy. DIEM PROTESTANTA Nitraka ralehilahy sady namaly hoe: –Mahita aho, indreny ny olona fa tahaka ny hazo no ahitako azy, saingy izy mandehandeha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitraka ralehilahy sady namaly hoe: –Mahita aho, indreny ny olona fa tahaka ny hazo no ahitako azy, saingy izy mandehandeha. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. Malagasy Bible Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra. La Bible en Malgache Dia nanokatra ny masony ilay jamba ka niteny hoe: Hitako ny olona, nefa tahaka ny hazo mandehandeha no fijeriko azy. |
Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Dia noraisin’i Jesoa ny tanan’ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra.
Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra.
Nony hitan’i Gaala irerỳ vahoaka, dia hoy izy tamin’i Zebola: «Indreny misy olona midina avy any an-tampon’ny tendrombohitra». Fa hoy kosa i Zebola taminy: «Ny aloky ny tendrombohitra no ataonao ho olona izany».