Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Marka 8:20 - Baiboly Katolika «Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?» «Fito,» hoy ireo taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ilay mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobika moa ny sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ireo: Fito. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa taminy: –Ary fony Aho nanapaka ireo mofo fito haroso amin’ny vatan-dehilahy efatra arivo, harona firy no voaangonareo feno ny tapa-mofo ambiny? Hoy ny navalin’ireo hoe: –Harona fito! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa taminy: –Ary fony Aho nanapaka ireo mofo fito haroso amin’ny vatan-dehilahy efatra arivo, harona firy no voaangonareo feno ny tapa-mofo ambiny? Hoy ny navalin’ireo hoe: –Harona fito! Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha ny mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito. Malagasy Bible Ary raha ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito. La Bible en Malgache Tamin’ilay mofo fito ho an’ny efatra arivo, firy sobika moa ny sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ireo: Fito. |
Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.