Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 7:27 - Baiboly Katolika

Fa hoy Izy taminy: «Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa hoy i Jesoa taminy: –Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an’ny amboa kely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa hoy i Jesoa taminy: –Avelao aloha ho voky ny zanaka nateraka, fa tsy tsara raha ny mofon-janaka no alaina ka atsipy ho an’ny amboa kely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboakely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely.

Jereo ny toko



Marka 7:27
8 Rohy Ifampitohizana  

Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rehefa nohafatrafarany hoe: Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily, ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,


Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.


Jentily avy amin’ny firenena Sirôfenisa ravehivavy, ary ny nangatahiny taminy dia ny handroahany ny demony amin’ny zananivavy.


Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: «Marina izany, Tompoko; kanefa ny amboa kely koa mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ao ambany latabatra ihany.»


Fa hoy Izy tamiko: Mandehana, fa any an-tany lavitra amin’ny Jentily no anirahako anao.


Fa i Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin’ny razan’izy ireo;


fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.