Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 6:45 - Baiboly Katolika

Dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandràvany ny vahoaka;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo no eo ihany Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely mba hita hialoha Azy ho any Betsaida mandra-pandravany ny vahoaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianany ary nasainy hiampita mialoha hankeny Betsaidà; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianany ary nasainy hiampita mialoha hankeny Betsaidà; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary niaraka tamin’izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo no eo ihany Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely mba hita hialoha Azy ho any Betsaida mandra-pandravany ny vahoaka.

Jereo ny toko



Marka 6:45
6 Rohy Ifampitohizana  

ka nataony hoe: «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidona no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.


Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.


Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy.


«Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidona ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.