Nony nandre izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.
Marka 6:31 - Baiboly Katolika Ary hoy Izy taminy: «Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely,» fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy nihinanany akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany efitra ka mialà sasatra kely. Maro mantsy ny olona nifamezivezy ka tsy nisy hisakafoanany akory aza. DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Jesoa taminy: –Ndao ianareo hitokana any an-taniefitra hiala sasatra kely. Maro loatra mantsy ireo olona nifamoivoy, ka tsy nisy fotoana hisakafoan’i Jesoa sy ny apôstôly akory. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Jesoa taminy: –Ndao ianareo hitokana any an-taniefitra hiala sasatra kely. Maro loatra mantsy ireo olona nifamoivoy, ka tsy nisy fotoana hisakafoan’i Jesoa sy ny apôstôly akory. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jesosy taminy: Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza). Malagasy Bible Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza). La Bible en Malgache Dia hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany efitra ka mialà sasatra kely. Maro mantsy ny olona nifamezivezy ka tsy nisy hisakafoanany akory aza. |
Nony nandre izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.
Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangigina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
Niverina nankany an-trano Izy, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Fa niala teo i Jesoa sy ny mpianany ka nankany amin’ny ranomasina, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy.
Nony afaka izany dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady i Jesoa,