Rehefa afaka henemana taorian’izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.
Marka 5:37 - Baiboly Katolika Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, rahalahin’i Jakoba. DIEM PROTESTANTA Dia tsy nisy olona navelan’i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin’i Jakôba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia tsy nisy olona navelan’i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin’i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’i Jakoba. Malagasy Bible Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba. La Bible en Malgache Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, rahalahin’i Jakoba. |
Rehefa afaka henemana taorian’izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahiny, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo.
Ary nitondra an’i Piera sy izy roalahy zanak’i Zebede hiaraka aminy Izy, dia nanomboka nozoin’alahelo sy fahoriana mafy.
Ary nentiny hiaraka aminy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, dia nihoron-koditra sy ory indrindra Izy.
Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etỳ an-tany.
Nony tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, mbamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy.
Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: «Ry Tabità, mitsangàna.» Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.
Indro, fanintelon’ny hankanesako atỳ aminareo izao. Ary hotapahina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny zavatra rehetra.