Niverina nankany an-trano Izy, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Marka 5:24 - Baiboly Katolika Dia nandeha niaraka taminy Izy, ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandeha niaraka taminy Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanizina Taminy. DIEM PROTESTANTA Dia lasa niaraka tamin’i Jaîro i Jesoa. Vahoaka nifanitsa-kitro no nitanjozotra nanaraka Azy, ka nifanety taminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia lasa niaraka tamin’i Jaîro i Jesoa. Vahoaka nifanitsa-kitro no nitanjozotra nanaraka Azy, ka nifanety taminy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy. Malagasy Bible Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy. La Bible en Malgache Dia nandeha niaraka taminy Jesosy. Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanizina Taminy. |
Niverina nankany an-trano Izy, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
sady nihanta mafy taminy nanao hoe: «Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao, mba ho sitrana sy ho velona izy.»
Ary hoy ny mpianany taminy: «Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka Ianao manontany hoe: ‹Iza no nanendry ahy?› »
Ary nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazany hoe: «Taranaka ratsy ity taranaka ity; mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasy mpaminany.
Tamin’izay dia tafangona an’arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: Tandremo aloha indrindra sao voan’ny lalivain’ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.
nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, satria fohy izy.
Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy, dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: «Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko akory aho;
fa nanan-janaka vavy tokana tokony ho roa ambin’ny folo taona, narary ho faty izy. Nony nandeha i Jesoa dia nifanety tamin’ny vahoaka;
Dia hoy i Jesoa: «Iza moa no nanendry Ahy?» Samy nandà avokoa izy rehetra, fa i Piera sy ny namany no nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô! vahoaka be no mifanety sy mifanizina aminao, ka Ianao manontany hoe: ‹Iza no nanendry Ahy?› »
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.