Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izay andro izay, ka nanao hoe: «Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran’Andriamanitra ho ao amiko?»
Marka 5:15 - Baiboly Katolika Nankany amin’i Jesoa izy ireo, ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terỳ. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo ka nandinika ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy efa nipetraka sy niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ny olona. DIEM PROTESTANTA dia tonga teo akaikin’i Jesoa ary nandinika ilay lehilahy azon’ny demony antsoina hoe Tafika teo, efa mipetraka tsara, mitafy lamba sady ary saina; ka nihoron-koditra izy rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia tonga teo akaikin’i Jesoa ary nandinika ilay lehilahy azon’ny demony antsoina hoe Tafika teo, efa mipetraka tsara, mitafy lamba sady ary saina; ka nihoron-koditra izy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy ary tonga tany amin’i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona. Malagasy Bible ary tonga tany amin'i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona. La Bible en Malgache ary tonga tany amin’i Jesosy izy ireo ka nandinika ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy efa nipetraka sy niakanjo sady ary saina; dia raiki-tahotra ny olona. |
Natahotra an’Andriamanitra i Davida tamin’izay andro izay, ka nanao hoe: «Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran’Andriamanitra ho ao amiko?»
Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.»
Ho tera-kovitra tampoka azon’ny fivadiham-po izy, fa eo afovoan’ny taranaka marina Andriamanitra.
Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny ao an-tranony, raha tsy afatony aloha izay mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
Moa ataonao fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, ka haniraka Anjely tsy omby lejiona roa ambin’ny folo Izy ho eto amiko?
Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.
Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: «Tsy mbola nisy toy izany tamin’i Israely.»
Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.
Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy, dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy;
fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Ary nanontany azy Izy nanao hoe: «Iza no anaranao?» Dia novaliany hoe: «Lejiona no anarako, fa betsaka izahay.»
Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny;
Nony tafakatra tany an-tanety i Jesoa, dia inty nisy lehilahy anankiray nitsena Azy avy ao an-tanàna, izay azon’ny demony hatry ny ela ka tsy nitafy akory, na nanana antom-ponenana afa-tsy ny fasana.
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Dia nataon’i Samoela izay nandidian’i Iaveh azy, ka nankany Betlehema izy. Tonga nitsena azy ny loholon’ny tanàna tamin’ahiahy ka nanao hoe: «Hampiadana va no nahatongavanao?»