Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
Marka 4:40 - Baiboly Katolika Ary hoy Izy tamin’izy ireo: «Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?» Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: «Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Nahoana no matahotra ianareo? Tsy mbola manana finoana va ianareo? DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo? Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo? Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? La Bible en Malgache Ary hoy Izy tamin’izy ireo: Nahoana no matahotra ianareo? Tsy mbola manana finoana va ianareo? |
Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Niaraka tamin’izay, naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: «Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?»
Ary i Jesoa nahalala izany ka nanao hoe: «Ry kely finoana, nahoana ianareo no mihevitra anakampo, noho ianareo tsy mitondra mofo?
Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana?
Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
Ary hoy Izy taminy: «Aiza ny finoanareo?» Fa raiki-tahotra sy ankona teo izy ireo, ka nifampilaza hoe: «Iza moa Ity no mandidy ny rivotra sy ny ranomasina, sy eken’izy ireo?»