Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 4:34 - Baiboly Katolika

Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary raha tsy tamin’ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary raha tsy tamin'ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin'ny mangingina no nilazany tamin'ny mpianany ny hevitr'ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa tamin’ny mangingina no nilazany tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko



Marka 4:34
12 Rohy Ifampitohizana  

Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,


Nony efa nitokana Izy, dia nanontany Azy ny amin’ny fanoharana ireo momba Azy mbamin’ny roa ambin’ny folo lahy.


Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo.


Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina.


Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.


Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa avy ny andro tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako aminareo miharihary ny amin’ny Ray.


Dia nanao fotoana taminy izy ireo, ka maro no tonga tao an-trano nitoerany. Teny manetsiketsika no nanehoan’i Paoly ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva; sady ny teny ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany manambara an’i Jesoa ihany no nentiny nitaona azy ireo hino Azy.