Marka 4:12 - Baiboly Katolika mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao mibebaka izy ka havela ny helony.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mba «hijery mandrakariva ihany izy nefa tsy hahita ary handre mandrakariva ihany izy nefa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony» (Isa 6.9, 10). DIEM PROTESTANTA hany ka «hijery dia hijery izy fa tsy hahita ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra, afa-tsy raha miverina amin’Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara hany ka «hijery dia hijery izy fa tsy hahita ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra, afa-tsy raha miverina amin’Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.» Baiboly Protestanta Malagasy ,,mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony’’ (Isa. 6. 9, 10). Malagasy Bible mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). La Bible en Malgache mba «hijery mandrakariva ihany izy nefa tsy hahita ary handre mandrakariva ihany izy nefa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony» (Isa 6.9, 10). |
Tsy mahalala na mahafantatra na inona na inona izy ireo, fa voatentina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony koa, ka tsy mahazo an-tsaina.
Fa angamba dia hohenoin’ny taranak’i Jodà ny loza rehetra kasaiko hatao aminy, mba hiovany, hialany amin’ny lalan-dratsiny avy, ka hamelako ny helony amam-pahotany.
Henoinareo àry izao, ry firenena adala sy tsy misy fo, mana-maso izy fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mandre!
«Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo.
Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
ka izao no navaliny azy: «Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra.»
Efapolo taona no nitondrako anareo tany an’efitra; nefa ny fitafiana teny an-koditrareo tsy tonta, ny kapa tamin’ny tongotrareo tsy tonta,
mananatra ny mpanohitra amin-kalemem-panahy, fa angamba homen’Andriamanitra fibebahana hahalala ny marina izy,
nefa nivadika, dia hataon’ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana, nefa anie mamàntsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny Hazofijaliana indray izy ireo, sady manolotra Azy halàm-baraka?