Ary niakatra tamin’ny tendrombohitra anankiray Izy, ka niantso izay tiany hantsoina hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo.
Marka 3:14 - Baiboly Katolika Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanendry roa amby folo lahy Izy mba ho eo Aminy sy hirahiny hitoriteny DIEM PROTESTANTA Ary nanendry 12 lahy izay nomeny anarana hoe apôstôly Izy, mba hiaraka aminy sy hirahiny hitoriteny Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nanendry 12 lahy izay nomeny anarana hoe apôstôly Izy, mba hiaraka aminy sy hirahiny hitoriteny Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny Malagasy Bible Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny La Bible en Malgache Ary nanendry roa amby folo lahy Izy mba ho eo Aminy sy hirahiny hitoriteny |
Ary niakatra tamin’ny tendrombohitra anankiray Izy, ka niantso izay tiany hantsoina hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo.
Nony niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
ary tsy maintsy torina amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria ka hatrany amin’ny fara vazantany.»
I Paoly Apôstôly, tsy avy amin’olombelona, na avy amin’ny alalan’olombelona, fa avy amin’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray izay nanangana Azy ho velona,