anisan’ireo i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba sy i Josefa, ary ny renin’i zanak’i Zebede.
Marka 15:47 - Baiboly Katolika Nojeren’i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Josefa tsara izay nametrahany Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy. DIEM PROTESTANTA Ary nataon’i Maria avy any Magdalà sy i Maria renin’i Jôsèta tsara jery ny toerana nametrahan’i Jôsefa an’i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nataon’i Maria avy any Magdalà sy i Maria renin’i Jôsèta tsara jery ny toerana nametrahan’i Jôsefa an’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Maria Magdalena sy Maria, renin’i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy. Malagasy Bible Ary Maria Magdalena sy Maria, renin'i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy. La Bible en Malgache Ary i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy. |
anisan’ireo i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba sy i Josefa, ary ny renin’i zanak’i Zebede.
Ary i Maria Madelenina, sy ilay Maria anankiray, dia teo ka nipetraka nanandrify ny fasana.
Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray.
Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa: anisan’ireny i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba zandriny sy i Josefa, ary koa i Salôme,
Dia nividy lamba i Josefa, ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy, sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato, ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana.
Ary rehefa afaka ny sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba, ary i Salôme, mba handeha hanosotra ny vatan’i Jesoa.
Ary ny vehivavy nanaraka an’i Jesoa avy tany Galilea dia niaraka tamin’i Josefa koa, ka nijery ny tao am-pasana sy izay fomba hametrahana ny vatan’i Jesoa.