Marka 15:26 - Baiboly Katolika Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: ny mpanjakan’ny jiosy. DIEM PROTESTANTA Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: «Mpanjakan’ny Jiosy». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: «Mpanjakan’ny Jiosy». Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: mpanjakan’ny jiosy. Malagasy Bible Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY. La Bible en Malgache Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: ny mpanjakan’ny jiosy. |
nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany. - Selà
Rano mandeha eo an-tanan’i Iaveh ny fon’ny mpanjaka, ka atongilany amin’izay rehetra tiany.
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra;
Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.
nanao hoe: «Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka? fa efa nahita ny kintany tany atsinanana izahay ka nankatỳ mba hitsaoka Azy.»
Teo ambonin’ny lohany dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana Azy manao hoe: «ITY NO JESOA MPANJAKAN’NY JODY.»
Ary i Pilaty nanontany Azy hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» Dia namaly Izy, ka nanao taminy hoe: «Voalazanao.»
Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana; ny anankiray teo ankavanany, ary ny iray teo ankaviany;
Aoka i Kristy mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.» Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.
Saingy tsy nihaino an’i Balaama i Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao i Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan’i Iaveh Andriamanitrao anao.