Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
Marka 15:24 - Baiboly Katolika Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nohomboin’ireo tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nataony antsapaka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. DIEM PROTESTANTA Dia nohomboany tamin’ny hazofijaliana Izy; ary nifampizarany ny fitafiany, ka nanaovany loka hahitana izay anjaran’ny tsirairay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nohomboany tamin’ny hazofijaliana Izy; ary nifampizarany ny fitafiany, ka nanaovany loka hahitana izay anjaran’ny tsirairay. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa voahombony tamin’ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. Malagasy Bible Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. La Bible en Malgache Ary nohomboin’ireo tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nataony antsapaka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. |
Dia hoy i Jesoa: «Raiko, avelao ny helony, fa tsy fantany izay ataony.» Ary nanaovan’izy ireo loka no fizara ny fitafiany.
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
dia tsy hiloaka alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy alevinao mihitsy androtr’iny ihany, satria hiharan’ny fanozonan’Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoina ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lova.»
Izy Ilay nitondra ny fahotantsika tamin’ny Tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin’ny ota, fa ho velona kosa amin’ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.