ny mahantra moa dia hisy eto aminareo mandrakariva, fa Izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva.
Marka 14:7 - Baiboly Katolika fa ny mahantra dia hisy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo, fa Izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny mahantra dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy dia mahazo manao izany ianareo; fa Izaho kosa dia tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. DIEM PROTESTANTA Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asiana soa amin’izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asiana soa amin’izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. Malagasy Bible Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. La Bible en Malgache Fa ny mahantra dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy dia mahazo manao izany ianareo; fa Izaho kosa dia tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. |
ny mahantra moa dia hisy eto aminareo mandrakariva, fa Izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva.
Fa hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy; nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko,
«Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady Ahy ianareo, ary toy ny voalazako tamin’ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny.
Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho.
Tsy mbola nolazaiko taminareo izany tamin’ny voalohany, satria mbola teto aminareo Aho; fa ankehitriny handeha ho any amin’Ilay naniraka Ahy Aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao?
Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho; izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa ho any aminao. Ray masina ô, arovy amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy.
Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra ambara-piavin’ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan’Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany masina, hatramin’ny ela.
Na oviana na oviana ny tany tsy hilaozan’olona ory; ka izany no anomezako anao ity didy ity: Aoka hamelatra ny tananao amin’ny rahalahinao ianao, amin’ny ory sy ny mahantra eo amin’ny taninao.
Fa mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho ianao efa namelombelona ny fon’ny olona masina, ry rahavana.