Marka 14:61 - Baiboly Katolika Fa tsy niteny Izy, na namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe: «Ianao va no Kristy Zanak’Ilay isaorana?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny Mpisoronabe ka niteny taminy hoe: Ianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana? DIEM PROTESTANTA Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe: –Ianao ve no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe: –Ianao ve no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava? Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana? Malagasy Bible Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana? La Bible en Malgache Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny Mpisoronabe ka niteny taminy hoe: Ianao va no Kristy*, Zanaky ny Isaorana? |
Hamoaka ny didy aho: I Iaveh nilaza hoe: «Zanako ianao, niteraka anao Aho ankehitriny.
Vonoina Izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory.
Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: «Inty ny Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra.»
Ary indreo izy niantso hoe: «Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atỳ?»
Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona, ka nanontany an’i Jesoa hoe: «Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?»
Ary i Pilaty nanontany Azy hoe: «Ianao va no mpanjakan’ny Jody?» Dia namaly Izy, ka nanao taminy hoe: «Voalazanao.»
Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: «Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay.»
ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?
Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»
Dia hoy ny Jody namaly azy: «Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina Izy, satria nanao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.»
Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: «Avy aiza moa Ianao?» Fa tsy namaly azy i Jesoa.
Ary izao no novakiny tao amin’ny Soratra Masina: «Nentina hovonoina mova tsy ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava toy ny zanak’ondry moana eo anatrehan’ny mpanety Azy.
izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo.
Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;