Marka 14:60 - Baiboly Katolika Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona, ka nanontany an’i Jesoa hoe: «Nahoana no tsy valianao izany fiampangan’ireo Anao izany?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitsangana ny Mpisoronabe ka nankeo afovoany nanontany an’i Jesosy hoe: Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao? DIEM PROTESTANTA Dia nitsangana nankeo afovoan’ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an’i Jesoa hoe: –Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan’ireo Anao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitsangana nankeo afovoan’ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an’i Jesoa hoe: –Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan’ireo Anao? Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an’i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ireto Anao? Malagasy Bible Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an'i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan'ireto Anao? La Bible en Malgache Dia nitsangana ny Mpisoronabe* ka nankeo afovoany nanontany an’i Jesosy hoe: Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao? |
Fa tsy niteny Izy, na namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe: «Ianao va no Kristy Zanak’Ilay isaorana?»