Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:43 - Baiboly Katolika

Niaraka tamin’izay raha mbola niteny Izy, dia tamy i Jodasy IsKariota isan’izy roa ambin’ny folo lahy, mbamin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy, dia avy i Jodasy, iray amin’ny roa amby folo lahy, ary nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary ny loholona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary niaraka tamin’izay, raha mbola miteny eo i Jesoa, dia tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary andian’olona nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, no tafaraka taminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary niaraka tamin’izay, raha mbola miteny eo i Jesoa, dia tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary andian’olona nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, no tafaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan’ny roa ambin’ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy, dia avy i Jodasy, iray amin’ny roa amby folo lahy, ary nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanoradalàna* ary ny loholona.

Jereo ny toko



Marka 14:43
9 Rohy Ifampitohizana  

Mitsangàna ianareo, andeha isika: indro efa akaiky ilay hamadika Ahy.»


Izy ireo dia efa nomen’ilay mpamadika Azy famantarana toy izao: «Izay horohako no Izy, ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.»


Ry hava-malala, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;