Fa hoy i Absalôma tamin’ny Kosaia: «Izao ve no firaiketanao amin’ny sakaizanao? Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamin’ny sakaizanao ianao?»
Marka 14:37 - Baiboly Katolika Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka nahita azy natory, ary nilaza tamin’i Piera hoe: «Ry Simôna, matory va ianao? Tsy nahari-tory ora iray akory va ianao? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niverina Izy ka nahita azy ireo matory dia hoy Izy tamin’i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy mahazaka miari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? DIEM PROTESTANTA Dia niverina nankeo amin’izy telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Matory ve ianao, ry Simôna? Tsy nahari-tory adiny iray akory ve ianao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niverina nankeo amin’izy telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Matory ve ianao, ry Simôna? Tsy nahari-tory adiny iray akory ve ianao? Baiboly Protestanta Malagasy Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin’i Petera: Ry Simona, matory va hianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va hianao? Malagasy Bible Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? La Bible en Malgache Ary niverina Izy ka nahita azy ireo matory dia hoy Izy tamin’i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy mahazaka miari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao? |
Fa hoy i Absalôma tamin’ny Kosaia: «Izao ve no firaiketanao amin’ny sakaizanao? Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamin’ny sakaizanao ianao?»
Raha ny mandeha tongotra, iarahanao mihazakazaka aza, mahavoa anao; hataonao ahoana no fifaninanana amin’ny an-tsoavaly? Raha ny tany nandry feizay no hany anananao toky, hanao ahoana ianao, raha sehatra ny liona eny amoron’i Jordany?
Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: «Inona ity ataonao no matory foana? Mitsangàna antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika».
Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka hitany fa natory ireo, dia hoy Izy tamin’i Piera: «Hay ianareo tsy nahazaka ny miara-miari-tory amiko ora iray akory?
nanao hoe: «Aba, Raiko, azonao atao ny zavatra rehetra, ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity; kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»
Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy Izy, mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo.