Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folo, amin’ny hariva ka hatramin’ny harivan’ny andro faharaika amby roapolo no hihinananareo ny mofo tsy misy lalivay.
Marka 14:12 - Baiboly Katolika Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: «Aiza no tianao halehanay hamboaranay ny hihinananao ny Paka?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao? DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska? Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’ny voalohan’ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska? Malagasy Bible Ary tamin'ny voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska? La Bible en Malgache Tamin’ny andro voalohany amin’ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany Taminy: Aiza no tianao handehananay hanomanana ny sakafon’ny Paska ho Anao? |
Amin’ny volana voalohany, andro fahefatra ambin’ny folo, amin’ny hariva ka hatramin’ny harivan’ny andro faharaika amby roapolo no hihinananareo ny mofo tsy misy lalivay.
Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io, vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra, amin’ilay àty takariva iny.
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra.» Dia nanaiky izy.
Rehefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy;
Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy. Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy.
Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: «Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy.
fa rehefa feno ny andro, dia nirahin’Andriamanitra ny zanany, nateraky ny vehivavy, sy nateraka teo ambanin’ny Lalàna,
Tsy ho azonao amonoana ny soron’ny Paka avokoa tsy akory ny tanàna rehetra homen’i Iaveh Andriamanitrao anao,