Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Marka 12:32 - Baiboly Katolika Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: «Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy ilay mpanoradalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy, DIEM PROTESTANTA Ka hoy ilay mpahay lalàna tamin’i Jesoa: –Mpampianatra ô, tsara izany ary marina ny filàzanao fa tokana Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy ilay mpahay lalàna tamin’i Jesoa: –Mpampianatra ô, tsara izany ary marina ny filàzanao fa tokana Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. Malagasy Bible Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. La Bible en Malgache Ary hoy ilay mpanoradalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy, |
Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Izao no lazain’i Iaveh: «Ny vokatra azon’i Ejipta, ny tombony azon’i Etiôpia, sy ny Sabeanina olona lava tsanganana, dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao, fa izy ireo dia hanaraka anao; ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao, ary hifompona aminao, hanao hoe: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!»
Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
tsarovinareo ny zavatra lasa, tamin’ny andro taloha. eny, Izaho dia Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
Ary i Jesoa namaly azy hoe: «Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity: Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana:
ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»
Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao, fa i Iaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy.
Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa i Iaveh no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony, sy etỳ amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.