Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 10:35 - Baiboly Katolika

Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanatona an’i Jesosy i Jakoba sy i Jaona, zanak’i Zebedio ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay hataonao aminay izay mba angatahinay Aminao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa nanatona an’i Jesoa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin’i Zebedeo ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, irînay ny hanaovanao aminay izay hangatahinay aminao izao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa nanatona an’i Jesoa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin’i Zebedeo ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, irînay ny hanaovanao aminay izay hangatahinay aminao izao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, nanatona an’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ò, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanatona an’i Jesosy i Jakoba sy i Jaona, zanak’i Zebedio ka niteny Taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay hataonao aminay izay mba angatahinay Aminao.

Jereo ny toko



Marka 10:35
10 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny, zavatra iray ihany no mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho.» Dia hoy ravehivavy namaly azy: «Lazao.»


Izay izy vao niteny hoe: «Misy zavatra kely anankiray hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho.» Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Mangataha, ry reny, fa tsy handà anao aho.»


Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy.


«Inona, hoy Izy, no tianareo hataoko aminareo?»


Ary nentiny hiaraka aminy i Piera sy i Jakôba ary i Joany, dia nihoron-koditra sy ory indrindra Izy.


Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.


Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpamotsy lamba mahafotsy toy izany etỳ an-tany.