Levitikosy 7:15 - Baiboly Katolika Amin’ny andro hanaterana azy ihany no hihinanana ny henan’ny sorom-pisaorana amin’ny sorom-pihavanana, fa tsy avela hisy tra-maraina.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny henan’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ny andro anaterana azy fa tsy hisy havela ho tra-maraina. DIEM PROTESTANTA Ny henan’ny sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra dia hohanina amin’ny andro anaterana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny henan’ny sorom-pihavanana atao ho fisaorana an’Andriamanitra dia hohanina amin’ny andro anaterana azy, fa tsy hisy havela ho tra-maraina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny henan’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina. Malagasy Bible Ary ny henan'ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin'ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina. La Bible en Malgache Ny henan’ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin’ny andro anaterana azy fa tsy hisy havela ho tra-maraina. |
«Tsy haterinao miaraka amin’ny mofo misy lalivay ny ran’ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina ho tra-maraina ny menaka momba ny fetiko.»
Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin’ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voararaka diloilo, ary lafarina nendasina ho mofomamy voadity tamin’ny diloilo.
fa aoka hohaninao sy ny ankohonanao izany isan-taona eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny fitoerana izay hofidiny,