Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 6:13 - Baiboly Katolika

Izao no fanatitra hataon’i Aarôna sy ny zanany amin’i Iaveh, amin’ny andro handraisany ny fanosorana: lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah ho fanatitra tsy tapaka, antsasany maraina, antsasany hariva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, hateriny ho an’NY TOMPO amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha no hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry isanandro ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Izao no fanatitra fanaon’i Aharôna sy ireo taranany amiko TOMPO, rehefa voahosotra ho mpisorona izy: koba lafarinina telo kilao isan’andro, ka ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Izao no fanatitra fanaon’i Aharôna sy ireo taranany amiko TOMPO, rehefa voahosotra ho mpisorona izy: koba lafarinina telo kilao isan’andro, ka ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an’i Jehovah amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan-andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, hateriny ho an’NY TOMPO amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha* no hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry isanandro ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva.

Jereo ny toko



Levitikosy 6:13
9 Rohy Ifampitohizana  

«Izao no ataovy amin’ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho Ahy: Makà vantotr’ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.


Mofo tsy misy lalivay, mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo mamy manify tsy misy lalivay voatondraka diloilo, ka lafarinam-barim-bazaha tsara indrindra no hanaovana azy.


Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.


Ny vatolampy handositra aman-tahotra; ary ny andriandahiny mangovitra handao ny faneva, - teny ton’i Iaveh - izay manana ny afony ao Siôna, sy ny fatam-pandoroany ao Jerosalema.»


ary ny efitrano mitodika mianavaratra kosa ho an’ny mpisorona miadidy ny fanompoana momba ny ôtely. Ireo taranak’i Sadôka amin’ny taranak’i Levì no manatona an’i Iaveh, hanao ny fanompoana azy.»


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


Amin’ny lapoaly no handrahoana azy, ka hasiana diloilo; ary rehefa mendy izy, dia hoentinao ka haterinao voavakivaky, ho fanatitra ankasitrahin’i Iaveh.


Izay sisa amin’ny fanatitra dia hohanin’i Aarôna sy ny zanany; ka hohaniny tsy misy lalivay, eo amin’ny fitoerana masina, amin’ny kianjan’ny trano lay fihaonana.


Ary nisy afo nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh nandevona ny sorona dorana mbamin’ny sabora teo ambonin’ny ôtely. Ary nahita izany daholo ny vahoaka rehetra, dia nihoby an-kafaliana sady rafitra niankohoka.