Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 6:13 - DIEM PROTESTANTA

13 «Izao no fanatitra fanaon’i Aharôna sy ireo taranany amiko TOMPO, rehefa voahosotra ho mpisorona izy: koba lafarinina telo kilao isan’andro, ka ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, hateriny ho an’NY TOMPO amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha no hatao fanatitra avy amin’ny zavamaniry isanandro ka ny antsasany amin’ny maraina ary ny antsasany amin’ny hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 «Izao no fanatitra fanaon’i Aharôna sy ireo taranany amiko TOMPO, rehefa voahosotra ho mpisorona izy: koba lafarinina telo kilao isan’andro, ka ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Izao no fanatitra hataon’i Aarôna sy ny zanany amin’i Iaveh, amin’ny andro handraisany ny fanosorana: lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah ho fanatitra tsy tapaka, antsasany maraina, antsasany hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Izao no fanatitr’i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an’i Jehovah amin’izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan-andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 6:13
9 Rohy Ifampitohizana  

«Toy izao no zavatra hataonao rehefa hanokana an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy ianao: –Makà vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema.


Makà kobam-barimbazaha, ka manaova mofo tsy misy leviora, mofo mamy misy diloilo saingy tsy misy leviora, ary mofo manify tsy misy leviora sady voararaka diloilo.


Miaraka amin’ny zanakondry amin’ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin’ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy.


Ny mpanjakany handositra noho ny tahotra, ary ny manamboninahiny ho kivy ka hitsoaka hamela ny fanevany. Izany no teny hentitry ny TOMPO izay manana ny fatana fandoroany ao Tsiôna sy ny lafaorony miredareda ao Jerosalema.


fa ilay mitodika mianavaratra kosa dia voatokana ho an’ny mpisorona misahana raharaha momba ny alitara. Ary amin’ny fokon’i Levỳ dia ny taranak’i Tsadôka ihany no afa-manatona ny TOMPO mba hanao fanompoam-pivavahana aminy.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:


Haroana menaka izany koba izany, dia hendasina amin’ny lapoaly; ary rehefa voaendy izy, dia vakivakîna, vao atao fanatitra ho hanitra ankasitrahina ho Ahy Tompo.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.


nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra