ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Levitikosy 5:3 - Baiboly Katolika toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan’olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy mahakasika ny fahalotoan’olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, na tsy hitany aza izany, rehefa fantany fotsiny, dia meloka izy. DIEM PROTESTANTA «Raha misy olona mahakasika tsy nahy olona maloto na inona na inona fahalotoana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Raha misy olona mahakasika tsy nahy olona maloto na inona na inona fahalotoana, ka mahafantatra izy avy eo, dia manjary meloka. Baiboly Protestanta Malagasy na misy mikasika ny fahalotoan’olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,– Malagasy Bible na misy mikasika ny fahalotoan'olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy, La Bible en Malgache Raha misy mahakasika ny fahalotoan’olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, na tsy hitany aza izany, rehefa fantany fotsiny, dia meloka izy. |
ary amin’ny andro hidirany ao amin’ny fitoerana masina ao amin’ny kianja anatiny mba hanao ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia hanatitra ny sorony noho ny ota izy; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Dia hozahan’ny mpisorona ny aretina eo amin’ny hoditry ny nofony, ka raha manjary fotsy ny volon-koditra amin’ny fery sady latsaka lalina noho ny hodi-nofo no fijery ny fery, dia fery habokana izany, ka rehefa avy nizaha izany olona izany ny mpisorona, dia hilaza fa maloto izy.
Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;
Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa atỳ aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin’ny iray amin’ireo zavatra ireo.
Ary izay nikasi-java-maloto, na loton’olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, raha mihinana amin’ny henan’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany.
Ny zavatra rehetra kasihin’izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan’ny andro.