Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 24:3 - Baiboly Katolika

I Aarôna no hamboatra azy, eo ivelan’ny efitra lamba, anoloan’ny vavolombelona, ao an-trano lay fihaonana, mba hirehetany lalandava eo anatrehan’i Iaveh, hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana no hametrahan’i Arona azy mba hirehitra mandrakariva, ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’NY TOMPO; ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ao anatin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manakona ilay Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana, no hametrahan’i Aharôna ny fitoeran-jiro; ka hirehitra lalandava eo anatrehako TOMPO ireo jiro ireo, manomboka ny hariva ka mandra-maraina: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ao anatin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manakona ilay Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana, no hametrahan’i Aharôna ny fitoeran-jiro; ka hirehitra lalandava eo anatrehako TOMPO ireo jiro ireo, manomboka ny hariva ka mandra-maraina: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin’ny trano-lay fihaonana, no handaharan’i Arona azy, hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona ao amin’ny tranolay fihaonana* no hametrahan’i Arona azy mba hirehitra mandrakariva, ny hariva ka hatramin’ny maraina, eo anatrehan’NY TOMPO; ho lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany.

Jereo ny toko



Levitikosy 24:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»


«Omeo didy ny zanak’i Israely hanatitra aminao diloilo madio avy amin’ny ôliva voatoto, hamelomana ny jiro lalandava.


Halahany eo amin’ny fanaovan-jiro volamena madio ny lalampy eo anatrehan’i Iaveh lalandava.»


Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»


Dia hotanterahinareo ny fanompoana momba ny fitoerana masina sy ny fanompoana momba ny ôtely, mba tsy hisy fahatezerana amin’ny zanak’i Israely intsony.


ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty, ary i Samoela nandry teo an-tempolin’i Iaveh izay nisy ny fiaran’Andriamanitra;