Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy, mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be.
Levitikosy 24:10 - Baiboly Katolika Nisy zanaka lahin’ny vehivavy Israelita anankiray, nefa zanaky ny lehilahy Ejiptianina, nankeo afovoan’ny zanak’i Israely; ary nifampila akisa teo an-toby ny zanaka lahin’ilay vehivavy Israelita sy ny lehilahy anankiray amin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io. DIEM PROTESTANTA Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin’ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selômita, zanakavavin’i Dibrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana. Vao mby teo amin’ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ka nentina tany amin’i Mosesy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy lehilahy anankiray nivoaka ny toeram-ponenany hankeo amin’ny Israelita. Ejiptianina ny rainy; fa Israelita ny reniny izay atao hoe Selômita, zanakavavin’i Dibrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana. Vao mby teo amin’ny Israelita ralehilahy, dia niady tamina lehilahy israelita anankiray sady nanevateva sy niteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ka nentina tany amin’i Mosesy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin’ny Zanak’Isiraely–vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray. Malagasy Bible Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin'ny Zanak'Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray. La Bible en Malgache Nisy lehilahy iray nankeo amin’ny Zanak’Israely, Israelita ny reniny ary Ejiptiana ny rainy; niady tamin’ny lehilahy israelita iray teo an-toby io zanaky ny vehivavy israelita io. |
Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy, mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be.
Ny zanaka lahin’ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salômita, zanak’i Dabrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;
Ho anjaran’i Aarôna sy ny zanany ireo; ary eo amin’izay toerana masina no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina ho azy ireo izany, amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh. Lalàna maharitra lalandava izany.»
Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin’i Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak’i Israely nanao hoe: «Iza re no mba hanome hena hohaninay?