Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 23:12 - Baiboly Katolika

Amin’ny andro hanevahevanareo ny amboaram-bary, dia manatera zanak’ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema, hatao sorona ho an’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa amin’izay andro hanandratanareo ny amboara dia manolora zanak’ondrilahy tsy misy kilema izay herintaona ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Iny andro hanoloranareo ny amboaram-bary iny, dia manatera zanakondrilahy tsy misy kilema sady iray taona ianareo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Iny andro hanoloranareo ny amboaram-bary iny, dia manatera zanakondrilahy tsy misy kilema sady iray taona ianareo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary amin’izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak’ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak'ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa amin’izay andro hanandratanareo ny amboara dia manolora zanak’ondrilahy tsy misy kilema izay herintaona ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Levitikosy 23:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.


Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,


Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.


Hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson’ny sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy.


Ny fanatitra hampombaina an’io, dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilo, ho fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh; ary ny fanatitra araraka dia divay ampahefatry ny hina.


fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,