Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»
Levitikosy 21:7 - Baiboly Katolika Tsy hanambady vehivavy janga na efa afa-baraka izy; tsy hanambady vehivavy efa voasaotran’ny lahy, fa masina ho an’ny Andriamaniny ny mpisorona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka izy tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga na izay voaloto, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ny lahy; fa masina ho an’Andriamaniny ny mpisorona. DIEM PROTESTANTA «Aoka ny mpisorona tsy hanambady vehivavy mpijangajanga na novetaina na efa nariam-badiny, noho izy voatokana hanompo Ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Aoka ny mpisorona tsy hanambady vehivavy mpijangajanga na novetaina na efa nariam-badiny, noho izy voatokana hanompo Ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ny lahy; fa masina ho an’Andriamaniny ny mpisorona. Malagasy Bible Aoka tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga ka voaloto izy, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran'ny lahy; fa masina ho an'Andriamaniny ny mpisorona. La Bible en Malgache Aoka izy tsy hanambady izay vehivavy mpijangajanga na izay voaloto, ary aoka tsy hanambady vehivavy izay efa nisaoran’ny lahy; fa masina ho an’Andriamaniny ny mpisorona. |
Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»
Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.
Tsy hanambady vehivavy efa maty vady na voasaotra; fa izay virjiny, iray razana amin’ny taranak’i Israely ihany; hahazo manambady vehivavy mpitondratena novinadin’ny mpisorona efa maty.
Hataonao masina izy, fa manolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina Aho Iaveh, izay manamasina anareo.
Toy izany koa ny vadiny, dia aoka ho olona manaja tena, tsy mpifosa, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra.