Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 21:21 - Baiboly Katolika

Tsy hisy hanatona hanolotra ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ny olon-drehetra amin’ny taranak’i Aarôna mpisorona, izay manan-kilemam-batana; fa manan-kilemam-batana izy, ka aza manatona hanolotra ny mofon’ny Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny olona rehetra amin’ny zanak’i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manatona hanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; misy kilema izy ka tsy mahazo manatona mba hanatitra ny hanin’Andriamaniny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izay mpisorona rehetra misy kilema, amin’ny taranakao, dia tsy mahazo manatona ny alitara mba hanolotra ho AHY ny sorona levonina amin’ny afo; noho izy misy kilema no tsy ahazoany manatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay mpisorona rehetra misy kilema, amin’ny taranakao, dia tsy mahazo manatona ny alitara mba hanolotra ho AHY ny sorona levonina amin’ny afo; noho izy misy kilema no tsy ahazoany manatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny olona rehetra amin’ny zanak’i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin’Andriamaniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny olona rehetra amin'ny zanak'i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manakaiky hanatitra ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; misy kilema izy ka tsy mahazo manakaiky hanatitra ny hanin'Andriamaniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny olona rehetra amin’ny zanak’i Arona mpisorona izay misy kilema dia tsy mahazo manatona hanolotra ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO; misy kilema izy ka tsy mahazo manatona mba hanatitra ny hanin’Andriamaniny.

Jereo ny toko



Levitikosy 21:21
4 Rohy Ifampitohizana  

Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»


Mitenena amin’i Aarôna ka lazao hoe: Tsy hisy hanatona hanolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, izay olona rehetra manan-kilemam-batana, amin’ny taranakao hatramin’ny fara mandimby.


Ho masina ho an’ny Andriamaniny izy, ary tsy hanevateva ny Anaran’ny Andriamaniny, satria izy ireo dia manolotra amin’i Iaveh ny sorona dorana amin’ny afo, ny mofon’ny Andriamaniny, ho masina izy.


Hataonao masina izy, fa manolotra ny mofon’ny Andriamanitrao, ka ho masina ho anao, satria masina Aho Iaveh, izay manamasina anareo.