Raha misy mamontsina fotsifotsy eo amin’ny hodiny, sady nanjary fotsy azon’izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin’ny mamontsina,
Levitikosy 13:14 - Baiboly Katolika Amin’ny andro hahitana nofo mihena velona aminy anefa dia haloto izy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha misy nofo miseho eo aminy dia haloto izy. DIEM PROTESTANTA Fa amin’ny andro hahitana nofo mangenahena miseho eo aminy, dia hanjary maloto izy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa amin’ny andro hahitana nofo mangenahena miseho eo aminy, dia hanjary maloto izy; Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy. Malagasy Bible Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy. La Bible en Malgache Fa raha misy nofo miseho eo aminy dia haloto izy. |
Raha misy mamontsina fotsifotsy eo amin’ny hodiny, sady nanjary fotsy azon’izany ny volon-koditra ary nofo mihena velona no hita eo amin’ny mamontsina,
ka raha manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia holazainy hoe: madio ilay marary; fa tonga fotsy ny tenany manontolo, ka dia madio izy.
ka rehefa hitan’ny mpisorona ny nofony mihena velona, dia holazainy hoe maloto izy, dia habokana izany.