Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»
Levitikosy 13:1 - Baiboly Katolika Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: DIEM PROTESTANTA Dia niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jehovah niteny tamin’i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Malagasy Bible Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: La Bible en Malgache Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: |
Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»
«Raha mamontsina ny hoditry ny nofon’ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokana amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany, mpisorona.
Ary nisy boka anankiray nanatona Azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: «Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.»
Vantany vao nahita azy ireo Izy dia nanao hoe: «Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona,» ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana.
Raha tao amin’ny tanàna anankiray Izy, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy, niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: «Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.»
«Tandremo amin’ny fery habokana, ka tovy tsara sy araho izay rehetra hatoron’ny mpisorona levitika anareo, araho tsara avokoa izay rehetra nandidiako azy.