Nandre ny fitsarana navoakan’ny mpanjaka i Israely rehetra, ka natahotra ny mpanjaka ny olona, satria hitany fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy, mba hitsarany marina.
Josoa 4:14 - Baiboly Katolika Nasandratr’i Iaveh teo imason’i Israely rehetra i Jôsoe, tamin’izany andro izany, ka toy ny natahoran’izy ireo an’i Môizy no natahorany azy koa, tamin’ny andro rehetra niainany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany no nanandratan’NY TOMPO an’i Josoa teo imason’ny Israely rehetra; dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’i Mosesy, tamin’ny andro rehetra niainany. DIEM PROTESTANTA Tamin’izany andro izany, dia nohamafisin’ny TOMPO teo imason’ny Israelita rehetra ny fahefàn’i Josoa; koa nohajaina tahaka ny nanajana an’i Mosesy izy nandritra ny andro rehetra niainany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany andro izany, dia nohamafisin’ny TOMPO teo imason’ny Israelita rehetra ny fahefàn’i Josoa; koa nohajaina tahaka ny nanajana an’i Mosesy izy nandritra ny andro rehetra niainany. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’izany andro izany no nanandratan’i Jehovah an’i Josoa teo imason’ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’i Mosesy, tamin’ny andro rehetra niainany. Malagasy Bible Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany no nanandratan’NY TOMPO an’i Josoa teo imason’ny Israely rehetra; dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’i Mosesy, tamin’ny andro rehetra niainany. |
Nandre ny fitsarana navoakan’ny mpanjaka i Israely rehetra, ka natahotra ny mpanjaka ny olona, satria hitany fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy, mba hitsarany marina.
Nahatazana azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay any Jerikô tandrify azy, ka nanao hoe: «Mipetraka ao amin’i Elisea ny fanahin’i Elia.» Sady nandeha nitsena azy izy ireo sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany,
Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.
Any amin’i Jodà koa no namelaran’Andriamanitra ny tanany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin’i Iaveh.
Dia nataon’i Iaveh nahita fitia teo imason’ny Ejiptianina ny vahoaka; ary i Môizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin’ny mpanompon’i Faraôna na tamin’ny vahoaka.
Hitan’i Israely ny tanana maherin’i Iaveh, nasehony tamin’ny namelezany ny Ejiptianina, ka natahotra an’i Iaveh ny vahoaka, ary nino an’i Iaveh sy i Môizy mpanompony.
Anaka, matahora an’i Iaveh sy ny mpanjaka, ary aza mba miharoharo amin’ny olona mpanakorontana.
satria lefitr’Andriamanitra amin’ny fanasoavana anao izy. Fa raha ny ratsy kosa no ataonao dia matahora, satria tsy entiny foana ny sabatra, fa entiny hitezitra sy hamaly izay manao ratsy amin’ny maha-lefitr’Andriamanitra azy.
Hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an’i Môizy no ombako anao koa.
Lehilahy sahabo ho 40.000 voaoman-kiady no nita teo anatrehan’i Iaveh teo amin’ny tany lemak’i Jerikô.
Dia niantso an’i Iaveh i Samoela, ary nampiavy kotrokorana sy ranonorana i Iaveh androtr’izay ihany ka natahotra mafy an’i Iaveh sy an’i Samoela ny vahoaka.