Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 13:6 - Baiboly Katolika

ny mponina rehetra amin’ny tendrombohitra hatrany Libàna ka hatrany amin’ny ranon’i Maserefôta dia ny Sidonianina rehetra: horoahiko eo anoloan’ny zanak’i Israely ireo. Nefa zarao amin’ny filokana ireo tany ireo ho lovan’i Israely, araka ny efa nandidiako izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary ny mponina rehetra any amin’ny havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-Maima, dia ny Sidoniana rehetra. Izaho no handroaka kanefa zarao amin’ny antsapaka ho lovan’ny Zanak’Israely izy ireny araka izay nandidiako anao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Anisany koa ny faritra be tendrombohitra eo anelanelan’i Libano sy i Misrefôta-Maina izay Tsidônianina avokoa no monina ao. Izaho no handroaka ireny mponina ireny eo anoloan’ny Israelita; fa ianao kosa no hizara antsapaka ny taniny ho lovan’ny Israelita araka izay efa nandidiako anao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Anisany koa ny faritra be tendrombohitra eo anelanelan’i Libano sy i Misrefôta-Maina izay Tsidônianina avokoa no monina ao. Izaho no handroaka ireny mponina ireny eo anoloan’ny Israelita; fa ianao kosa no hizara antsapaka ny taniny ho lovan’ny Israelita araka izay efa nandidiako anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny mponina rehetra any amin’ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima, dia ny Sidoniana rehetra,–Izaho no handroaka ireny hiala eo anoloan’ny Zanak’Isiraely; kanefa zarao amin’ny filokana ho lovan’ny Zanak’Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary ny mponina rehetra any amin’ny havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-Maima, dia ny Sidoniana rehetra. Izaho no handroaka kanefa zarao amin’ny antsapaka ho lovan’ny Zanak’Israely izy ireny araka izay nandidiako anao.

Jereo ny toko



Josoa 13:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Ry Andriamanitry ny tafika ô ampodio amin’ny toetranay taloha izahay, ampamirapirato ny Tavanao, dia ho voavonjy izahay.


Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.


«Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.


Azon’i Jôsoe avokoa ny tanànan’ireny mpanjaka ireny, sy ny mpanjakany; nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireny, dia nataony anatema, araka ny didin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh.


Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely izy ireo, ka nasiany sy nenjehiny hatrany Sidona lehibe sy hatrany amin’ny lohasahan’i Masfà any atsinanana; nasiany ireny ka tsy navelany hisy afa-nandositra na dia iray aza.


Ary ankehitriny zarao izany tany izany amin’ny foko sivy, sy ny antsasaky ny fokon’i Manase, mba ho lovany.


dia fantaro tsara fa tsy hotohizan’i Iaveh Andriamanitrareo ny fandroahana ireo firenena ireo eo anoloanareo; ka ho harato amam-pandrika ho anareo ireo, ary ho rotsakazo amin’ny lanivoanareo, mandra-pahalàny ritra anareo tsy ho eo amin’ity tany soa, nomen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo ity.


Indro efa nozaraiko taminareo mba ho lova ho an’ny fokonareo, tamin’ny filokana, ireo firenena izay mbola eo ihany sy ireo rehetra efa nofongorako hatrany Jordany ka hatrany amin’ny ranomasin-dehibe any andrefana any.


I Iaveh Andriamanitrareo hampandositra ireny eo anoloanareo sy handroaka azy eo anoloanareo, ka ho lasanareo ny taniny, araka ny efa voalazan’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo».